1 Peter 5

1Mananatra ireo loholona aminareo aho, izaho, izay loholona namana. Izaho ihany koa dia vavolombelon’ireo fijalian’i Kristy, ary ihany koa mpikambana ao amin’ny voninahitra izay efa haseho. 2Noho izany, mananatra anareo aho, ry loholona, andraso ny ondrin’ Andriamanitra izay eo aminareo. Araho maso izy ireny, tsy amin’ny fahateriterena, fa amin’ny sitraponareo, araka ny sitrapon’ Andriamanitra. Araho maso izy ireny, tsy amin’ny vola maloto, fa an-tsitrapo. 3Aza manjakazaka amin’ny olona izay tandremanareo. Fa kosa, aoka ho fitaratra ho an’ny ondry. 4Ary rehefa miseho ilay Lohan’ny mpiandry ondry, dia hahazo satro-boninahitra tsy mety simba ianareo.

5Tahaka izany koa, ianareo tanora fanahy, maneke ny olon-dehibe. Ianareo rehetra, tafio fanetren-tena ny tenanareo ary mifanompoa. Fa Andriamanitra manohitra ny mpirehareha, fa manome fahasoavana ny mpanetry tena. 6Noho izany manetre tena eo ambanin’ny tana-maherin’Andriamanitra mba hanandratany anareo amin’izany fotoana izany. 7Apetraho eo aminy ny fanahianareo rehetra, satria Izy no miahy anareo.

8Mahonona tena, miambena. Ny fahavalonareo, dia ny devoly, miodidinana tahaka ny liona mierona, mitady izay olona ho arapany. 9Manohera azy. Miorena amin’ny finoanareo. Fantatrareo fa izany fahoriana izany dia manjo ny firaisan’ireo mpino manerana an’izao tontolo izao ihany koa.

10Rehefa avy nijaly nandritra ny fotoana fohy ianareo, ny Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, izay niantso anareo ho amin’ny voninahiny mandrakizay ao amin’i Kristy, dia hahatanteraka anareo, hanangana anareo, ary hampahery anareo. 11Ho Azy anie ny fanjakana mandrakizay mandrakizay. Amena

12Raisiko toy ny rahalahy mahatoky i Silasy, ary nanoratra teny fohifohy ho anareo tamin’ny alalany aho. Mananatra anareo aho ary manambara anareo fa izay nosoratako dia fahasoavana marin’Andriamanitra. Mijoroa amin’izany. 13Ny vehivavy izay any Babylona, izay voafidy niaraka taminareo, manao veloma anareo. Ary koa i Marka, zanako lahy, manao veloma anareo. 14Mifanaova veloma amin’ny fanoroham-pitiavana. Ho aminareo rehetra anie ny fiadanana izay ao amin’i Kristy.

Copyright information for PltULB